Alakamisy 28 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 21-25

Raha nampianarin’i Jesoa mitokana ireto mpianany ireto dia tsy maintsy kosa handeha hampinanatra ny olona, izay reny sy hitany, hany ka tsy maintsy ho tojo ny fanenjehana sy famonoana aza satria fampianarana toherin’izao tonotolo izao no hijoroany ho vavolombelona. Saika maty martiry avokoa izy ireo. Noho ny fampianarana nomen’i Jesoa azy ireo, dia tonga jiro mirehitra izy ireo ; tsy hanazava ny tenany fa hanazava ny manodidina azy. Eo no mahatonga ny fanenjehan’izao tontolo izao, satria ratsy ny asan’izao tontolo izao. Mba ho voavonjy anefa izao tontolo izao dia tsy maintsy tsilovina, handray ny fahazavana avy amin’i Kristy. Koa jiro mirehitra ny mpianatr’i Jesoa, jiro manazava ny fiainana satria nandray voalohany io fahazavan’i Kristy io, nandray ny Teniny, nandray ny fampianarany. Raha oharina amin’ny olona rehetra, nahazo tombony betsaka ireo mpianatr’i Jesoa ireo satria niara-nitoetra Taminy, nanara-dia Azy hatraiza hatriza, nofidiany manokana tao anatin’ny maro ; tsy nisy nafeniny azy ireo ny tsiamabaratelon’ny Fanjakan’ny Lanitra.

Tsy misy hafa amin’izany koa isika ankehitriny. Vita batemy ka mitondra ny hazavana avy amin’i Krsity hatraiza hatraiza : any amin’ny toerana hiasana, any am-pianarana, any am-piangonana, amin’ny sehatra rehetra misy antsika amin’ny fiaianana andavan’andro. Isika no fahazavan’izao tontolo izao ; isika no jiro mirehitra manazava ny tontolo misy antsika. Ilaintsika mandrakariva ny mampamokatra ny fahasoavan’Andriamanitra omena antsika. Valala tsy an-tanana anefa tsy atolo-jaza. Ilaintsika aloha ny mandalina ny finoantsika, satria inona no hatolotsika ny hafa raha tsy feno fatra ao amintsika ny finoana. Niantomboka tamin’ny batemy no nahazoantsika io finoana io ary angatahana mandrakariva izany mba hitombo sy hihalalina hatrany. Mampalahelo mantsy ny mahita olona very finoana. Mba notezaina tamin’ny finoana hatry ny fony kely, kanefa indro ratsy fiafara, manadino an’Andriamanitra, tsy miditra am-piangonana intsony. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no toetra entintsika manahaka an’i Jesoa koa raha milaza Izy hoe : “izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo” dia azo adika hoe : “izay fitavana nitiavanareo ihany no hitiavana anareo”. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...