Alahady 31 janoary 2021 — Alahady  fahefatra mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

Ry kristianina havana, alahady fahefatra mandavantaona isika androany, entanin'ny Fiangonana amin'ny fotokevitra hoe : "Iza i Kristy amintsika ?". Fanontaniana mila apetraka isan'andro io, entina mamantatra izay andriamanitra ivavahantsika. Tsy miankina fotsiny amin'izay fiteny mahazatra, na mihanona amin'izay tsianjery ; fa handalina hatrany ny fiainana takian'izany finoana izany. Fomba fiainana voalohany lazain'ny Evanjely izao dia hoe mankany amin'ny Sinagôga rehefa sabata, tahaka an'i Jesoa. Litorjian'ny jody moa izany, fa fankamasinana ny andro alahady, ho antsika kristianina. Amin'izany no hihaonana amin'Andriamanitra, hiresahana aminy, handinihana ny teniny ka hahalalana ny sitrapony.

Fomba fiaina faharoa dia hoe, i Jesoa mampianatra. Efa misy mpampianatra isan'andro, ireo vahoaka mihaino an'i Jesoa ireo, fa marihan'i Masindahy Marka, ao amin'ny Evanjeliny mihitsy, hoe toy ny olona manana fahefana, i Jesoa, fa tsy tahaka Mpanora-dalana. Tsy misy antony tokoa manko ny nahatongavan'i Jesoa, raha toa ka ampy izay vitan'ny olombelona teo alohany, raha toa ka tsy mitondra zava-baovao Izy. Fampianarana no tena nimasoan'i Jesoa satria, izay mandona ny fo hampibebaka no tadiaviny, ao am-pon'ny tsirairay no tiany hiasana.

Avy eo, nandroaka demony, i Jesoa. Ny fandroahana demony dia midika fa rava hatreo ny fanjakan'i Satana, fa manomboka kosa ny fanjakan'Andriamanitra. I Satana moa midika hoe mpanohitra, mpifanandrina amin'Andriamanitra. Fanahy maloto no iantsoan'ny Evanjely azy eto satria, izay marary, na inona na inona aretiny, dia maloto. Tsy afaka mandray anjara amin'ny fanompoam-pivavahana, izany hoe, tsy mendrika an'Andriamanitra ka mila diovina. Mahefa amin'ny teny sy ny asany i Jesoa, ny demony moa miaiky fa Izy no ilay masin'Andriamanitra. Isika kosa tsy afaka mijanona fotsiny amin'izao fa tsy maintsy manapa-kevitra, na homba, na hanohitra an'i Jesoa. Tsy amin'ny teny fotsiny, fa amin'ny asa sy ny fiainana. Ny fivavahana sy ny tenin'Andriamanitra anie, hanampy antsika amin'izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...