Talata 2 febroary 2021 — Fankalazana manetriketrika ny nalorona ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40

Ry kristianina havana isaky ny 2 febroary ny Fiangonana, dia mankalaza ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly, anio koa no hankalazana ny jiro masina, araka ny fanao amin'ny litorjia, satria mibanjina an'i Kristy, fahazavan'izao tontolo izao. Efapolo andro ao aorian'ny Noely mantsy isika izao. Miharihary eto ny fomba jody, nanovozan'ny kristianina ny fombam-pivavahany. Eo ny fidiovana ao aorian'ny fiterahana, ny fanolorana ny lahimatoa ho an'ny Tompo, ny Tempoly, ny fiandrasana ny Mesia, ny lalan'i Moizy. Izany rehetra izany dia nohajain'ny ray aman-drenin'i Jesoa sy niainany avokoa.

Ny lafiny voalohany dinihina amin'izany dia izao, io eo Andriamanitra Ray, manolotra ny zanany ho famonjena an'izao tontolo izao. Ireo ray aman-dreny nitaiza azy no famantarana izany. Raiso àry Izy, tahaka ny nandraisan'i Simeôna sy i Anina Azy, raiso Izy, ho Mpamonjy antsika isan'andro. Faharoa, santatra ihany ny vahoaka Jody, fa ny firenena rehetra no tian'Andriamanitra hovonjena. Na mino, na tsy mino, fa tsy misy ny eo anelanelany. Tsy hoe izao isika vao mino, fa efa hatrizay, fa mila havaozina isan'andro ny fanoloran-tenantsika.

Modelin'ny fanekena an'Andriamanitra ny ray aman-drenin'i Jesoa : i Josefa sy i Maria izany. Izay nodidian'ny lalana no voalaza eto ivelany, fa ny sitrapon'Andriamanitra no tena antony sy ao am-pon'izy ireo. Modely amin'ny fanoloran-tena i Simeôna sy i Anina, nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina izy ireo, ary nandray an'i Jesoa rehefa tonga Izy. Izany koa ny fiainantsika : manompo an'Andriamanitra, tsy mivadika, mitia Azy amin'ny fo tsy miefitrefitra, mandray Azy ho fahazavana, dia ho mendrika hampandrosoiny any an-tranony, rehefa tapitra ny diantsika ety. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...