Talata 2 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

Fotoana iantsoan’Andriamanitra antsika hiainana ny finoana amin’ny fo mahitsy tsy ahitana fihatsaram-belatsihy ny Karemy.

Vakian’i Jesoa bantsilana ny fihatsaram-belatsihy iainan’ireo Mpampiana-dàlana sy ny farisianina, toy ny hoe mampitandrina antsika Izy amin’izao fotoana izao : azo heverina fa miantefa amintsika izay voafidiny hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra aloha ity fampitandreman’i Jesoa ity, ireo eveka, pretra, filoha isan’ambaratonga (filohan’ny komitim-piangonana, filohan’ny faritra, APV, fikambanana masina, vondrona sy firohotana isan-karazany…) Asaina isika mba hiaina ao anatin’ny fo mahitsy ka hahay hampifandray hatrany ny lazaina sy ny atao. Mampahomby ny asa fitoriana moa izany, araka ny fanambaran’ny olontsambatra, ny papa Paoly fahenina, manao hoe : "Mihaino kokoa ireo vavolombelona noho ny mpampianatra ny olona amin’izao fotoana izao, ary raha toa ka mihaino ny mpampianatra izy dia satria mijoro ho vavolombelona ireny". Tsarovy anefa fa tsy afa-misaraka amin’ny fanetre-tena ny hitsim-po voalaza etoana. Ny manetry tena midika hoe tsy mila mifikita amin’ireny endrikendrika ety ivelany fotsiny toy ny anaram-boninahitra fa miezaka miaina ao anatin’ny fahatsorana sy mihevitra ny fahefana ho asam-panompoana ny hafa.

Fa miantefa amintsika entina ka matetika tafintohana amin’ny fihetsika feno fihatsaram-belatsiny ataon’ny mpitondra antsika ihany koa ity Evanjely ity. Mila tazonina, hoy i Jesoa, ny tsara ambarany fa sao "manary ny zazakely miaraka amin’ny rano nanasana azy" isika ka very avokoa izy anankiroa.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...