Zoma 2 aprily 2021 — Zoma masina — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42

Ry kristianina havana ! Mbola ny fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, toy ny tamin’ny alahadin’ny Sampankazo io Evanjely aroso ho antsika io, fa araka ny fitantaran’i Masindahy Joany no hanarahantsika azy eto. Manampy antsika izany hisaintsaina sy handinika lalina ny misterin’ny Fanavotana antsika. Manampy antsika handinika ny tokony ho fihetsitsika manoloana izany fitiavana tsy manam-paharoa izany. Efa olona maty eritreritra raha toa tsy mba hihetsi-po amin’ny zava-nanjo an’ilay Zanak’Andriamanitra, izay namoy ny Ainy ho an’izao tontolo izao. Henontsika matetika izany fanentanana izany amin’ny lalan’ny hazofijaliana fanaontsika isaky ny zoma. Efa voalazany moa hoe : “Ny Zanak’olona tsy tonga hotompoina, fa mba hanompo, ary hahafoy ny Ainy ho fanavotana ny maro” (Mt 20, 28 ; Mk 10, 45), ary koa hoe : “Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” (Jo 15, 13). Isan’ny fijaliana roa lehibe ary azo lazaina fa faratampony amin’ity fijalian’i Jesoa ity ny fijaliana ara-panahy, dia ny fiadiana aina tao Getsemania ary ny fijaliana ara-batana dia ny kapoka natao azy. Efa voambaran’i Izaia Mpaminany anefa fa : “nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoronina noho ny helotsika ; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana ; ary ny ratra Taminy no nahasitrana antsika” (Iz 53, 5). Mazàna tsy tsapantsika izany ngidin’ny fanaintainana nahazo an’i Jesoa izany, satria isika tsy mahatsapa akory ny fahotantsika indraindray. Tadidio fa izany fijalian’i Jesoa izany no vokatry ny fahotana vitantsika ka anaovan’ny Fiangonana antso avo amintsika mba hibebaka mafy ary hibebaka marina amin’izao Karemy izao.

Zoma Masina izao, zoma mampahory, iombonantsika fijaliana tanteraka amin’i Jesoa fa ajanony aloha ny zoma manifika izay fanao mahazatra. Tsy ireo voalaza roa ireo ihany akory ny fijaliana nahazo an’i Jesoa fa maro. Na izany aza anefa ny fijalian’i Jesoa dia nozakainy tamim-pitiavana araka ny voalazany hoe : “Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana azy”. Tarihiny isika tsy hitomany na hitsetra azy be fahatany, fa handinika kosa ny fiainantsika ary hitomany sy halahelo amin’ny ratsy sy ny heloka vitantsika : “Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana fa ny tenanareo sy ny zanakareo no hitomanio”, hoy Izy. Enga anie, tena hanova antsika tanteraka tokoa izao zoma masina iombonantsika fijaliana amin’i Jesoa izao, ka hitondra antsika tanteraka any amin’ilay Paka hitondrany fiainam-baovao ho antsika.

Andriamanitro ô ! Porofom-pitiavana lehibe asehonao ny fanoloranao ny Zanakao hijaly sy maty ho anay, koa ampio izahay hahatsapa izany fitiavanao anay izany ka hiezaka hiala amin’ireo fahotana sy fahazaran-dratsinay. Enga anie tsy handalo fotsiny izao zoma masina izao fa hanova anay tanteraka. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...