Talata 6 aprily 2021 — Talata amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18

Ry kristianina havana, mbola mifantoka amin’ny zava-niseho tamin’ny fitsanganan-ko velonan’ny Tompo ny Soratra Masina, mbola i Masindahy Joany no mitantara amintsika ny zava-niseho androany. Nitomany i Maria Madalenina rahefa avy nitsirika ny fasana, satria hitany fa tsy tao ampasana ny Tompo. Tena nalahelo i Maria Madalenina matoa nitomany. Nitomany satria nisokatra ny fasana kanefa tsy tao ny razana ka noheveriny fa nisy nangalatra. Akory anefa ny hafaliany raha niantso azy i Jesoa. Satria teo no nahafantarany fa i Jesoa no miteny aminy. Ny tenin’i Jesoa taminy dia sady fanalana alahelo an’i Maria no fampanantenana handehanany any amin’ny Rainy. I Jesoa handeha ho any amin’ny Ray mantsy no handefa ny Fanahy Masina hankahery ny apôstôly. Noho izany hery lehibe izany dia ho sahy hitory ny Vaovao Mahafaly tsy amin-tahotra ireo Apostoly.

Malemy sy kanosa isika ka mila mpankahery. Tsy mahavita inona na inona raha tsy eo ny fahasoavan’Andriamanitra manohana ny risi-po ao amintsika. Ny tenin’i Jesoa hoe : “Andriamanitro sy Andriamanitrareo” dia toa mampitovy antsika Aminy. Mitovy aminy tokoa isika raha ara-nofo ka tsy maintsy handalo fahafatesana toa Azy. Hitsangana toa Azy isika raha mino Azy sy mitandrina ny teniny. Mampisalasala izany satria ny fantatry ny olona dia hoe simba ny nofo rehetra. Ny fanahintsika no zava-dehibe fa tsy ny nofo. Izy no iankinantsika indray andro any, fa izy no ilay tsy mety maty.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...