Alakamisy 15 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36

Mbola mitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa momba ny Lanitra eo amin’ny resaka ifanaovany amin’i Nikôdema mpampianatra teo amin’i Israely. Isika olombelona no mitaky mba hisy mangarahara ny momba ny lanitra, ka eto dia mijoro ho vavolombelona i Jesoa, mampiharihary ny momba io Lanitra io nefa tsy misy mandray ny fanambarany. Misy fetra ny fiainantsika ety an-tany, misy fetra isika olombelona, nefa isika mangetaheta fiainana maharitra sy feno ny hasambarana. Fatantr’Andriamanitra izany maha olona misy fetra antsika izany, koa dia nirahiny ny Zanany lahitokana mba hapiditra antsika ao antin’ilay tontolo misy an’Andriamanitra sy ny Lanitra ; ilay Andriamanitra tsy misy fetra sy fahasambarana mandrakizay.

Ny tenintsika, ny fampianarana entintsika ho an’ny namantsika dia izay takatry ny saintsika eto an-tany ihany. Ny fampianaran’i Jesoa anefa, mitondra antsika any amin’ilay tsy misy fetra. Ny fomba fisainantsika dia mametraka izay avy any ambony ho manan-danja sy lehibe. Koa ny fampianaran’i Jesoa dia ambony lavitra no izay fantatsika. Koa nijoro ho vavolombelona Izy amin’ny fanambarany ny Tenin’Andriamanitra. Isika mankalaza ny Paka no efa mahafantatra ny fiainana hitondran’i Jesoa antsika, dia ny hanaraka ny diany ; hitsangan-ko velona toa Azy ary dia manaiky ho entiny hiditra ny Lanitra.

Aorian’izao fankalazana ny Paka izao dia hankalaza koa isika ny niakaran’ny Tompo any an-danitra. Izy izay manokatra ny Lalana izorantsika ho any. Ho hitantsika miharihary amin’izay ilay inoantsika sy antenaintsika eto an-tany. Ny angatahin’i Jesoa amintsika aloha, mbola amin’ity fiainana eto an-tany ity, dia ny finoana. Mino fa marina ny Teny ambarany ; matoky fa Izy no hitondra antsika amin’ny tena fiainana dia ny fiainana mandrakizay. Io fanantenana tsy azo kosehina ao anatintsika io no ambara fa vokatry ny Paka. Mahafaoka izay voalaza rehetra izay ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...