Alatsinainy 19 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29

Mazàna no alaim-panahy isika hitady tany malemy hanorenam-pangady eo am-panarahan-dia an’i Jesoa Kristy : izany hoe, noho ny ny fahitantsika ny fahagagana nataony teo amin’ny fiainantsika no anarahantsika dia Azy. Izany tokoa mantsy no fakam-panahy nahazo ireo vahoaka jody tamin’androny. Nitady azy hatraiza hatraiza izy ireo, noho ny fahagagana fampitomboana ny mofo nataony teo aloha, araka ny ambaran’ny Evanjely anio. Tsy fantatr’izy ireo akory fa tsy haharitra velively izany mofo nampitomboina izany.

Tian’i Jesoa Kristy, raha mikatsaka ny sakafo maharitra sy manan-danja ireo izay hanara-dia Azy ; raha ny tena marimarina kokoa, tiany hitady Azy fa Izy no ilay mofon’ny fiainana mandrakizay. Mila ny finoana anefa izany fikatsahana Azy, ilay Mofon’ny fiainantsika izany. Ko angataho amin’Izy Ray mba hananana mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...