Alatsinainy 26 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10

Nohenointsika teo fa tsy mitsahatra mampianatra ny mpianany amin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa. Isika vahoakan’Andrimananitra no ondry andrasana, ary ny valan’ondry dia tsy inona akory fa ny fanjakan’Andriamanitra, ary izy tenany no mpiandry ondry tsara, izy no vavahady idiran’ny ondry. Koa nambarany mazava fa mpangalatra sy jiolahy izay tsy mandalo eo amin’ny vavahadin’ny ondry.

Inona ary no tian’i Jesoa hangatahana amintsika ? Ny tiany hangatahana amintsika dia ny hoe izy no lalana hahafahantsika miditra amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izy no mpiandry ondry tsara, ary ny faniriany dia ny olona rehetra no hisitraka ny fanjakan’ny lanitra. Ka noho izany efa nomentsika ny teniny entintsika miaina sy miomana amin’izany, efa natorony sy nampahafantarany antsika ny lalana miditra any amin’ny fiainana mandrakizay. Ary efa nahafoy ny ainy mihitsy àry izy, hamonjena ny olombelona, nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona. Fara fitiavana ny olombelona izany ary porofom-pitiavana lalina, izay nasehon’Andriamanitra antsika miharihary. Koa sahia àry isika mandalo sy manatona eo aminy fa izay manatona azy no manana ny hafenoana. Satria i Jesoa ihany no nanambara ny tenany, fa izy no vavahady hidirana amin’ny fiainana tena izy. Ao aminy no tena ahitana hasambarana, hafaliana, fahafahana ary famindram-po amim-pamelan-keloka.

Koa manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka àry i Jesoa, mba hanatona Azy ka hiaina ny fiainana lavorary miaraka aminy. Satria hoy izy hoe : "Izaho no avy dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hanany azy be dia be."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...