Alakamisy 17 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 6, 7-15

Andalan-tSoratra Masina manelanela ny voalahatry ny Fiangonana omaly, ity nohenointsika teo ity, izay mampiseho ny fampianaran'i Kristy mba hananan'ny mpianany fitivam-bavaka sy toetra mifanaraka amin'izany. Tsy maro teny, mahay mamela heloka ny hafa, tsy misehoseho. Ity vavaka nampianarin'i Kristy ny mpianany ity, no ilay vavaka tsara indrindra, hoy isika. Vavaka tsy misavaona na tsianjery fotsiny, na sanatria lasa lasan-ko vavany fotsiny, fa vavaka tena mifantoka amin'ny firesahana amin'Andriamanitra. Raha tena mandinika tsara ity vavaka ity isika, indrindra ka mitsakotsako tsara azy atao miadana fa tsy ho zara fa vita, dia mahatsapa ny tena votoatiny.

Ny tapany voalohany dia mivantana mandrakariva amin'Andriamanitra Ray, ilay Masina, Mpanjaka, Tompon'ny fahefana sy Tompon'ny iraka, ka tsy maintsy ankatoavina sy tompoina. Ny tapany faharoa kosa dia mametraka antsika olombelona sy ny filantsika, ho eo ambany fahefan'Andriamanitra. Tsy manana ny ampy isika ka mila ny hafenon'Andriamanitra. Osa sy malemy isika, mpanota, ka mila ny famindrampon'Andriamanitra. Ary tia tena koa isika, tsy mahay mifamela, ka mila manahaka azy mpamindra fo sy mpamela heloka mba hahazo famelan-keloka avy aminy. Tadidio àry, fa ny vavaka tsy azo ataotao foana, na sanatria hoe fombafomba fotsiny, fa tena fametrahana an'Andriamanitra amin'ny toerana misy azy, ary manambara ihany koa ny fietrentsika olombelona ho tsinontsinona eo anatrehany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...