Alahady 4 jolay 2021 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6

Ry kristianina havana, naneho ny maha Andriamanitra Mpamonjy Azy i Jesoa teo amin’ny tany nahabe Azy. Saingy tsy ninoan’ny olona satria fantany araka ny nofo tao amin’ireo havany akaiky. Tao koa ireo efa manan-kevitra raiki-tampisaka ka tsy te handray zava-baovao intsony. Mety samy hanjo antsika ny hoe tsy te hiova satria efa raiki-tampisaka amin’ny hoe "izay no nahazatra, sao dia hanahirana, aleo aloha handeha amin’io", na koa ny hoe henjehin’ny olona ho "miseho ho inona, tsy ampahafiriny…". Endrika tsy fahombiazana daholo izany. Meteza hovan’ny Evanjely ; sokafy ny fontsika hidiran’Andriamanitra ; meteza hohavaozina. Etsy ankilan’izay, na lavina aza mampianara, mitoria. Mazàna aza ny olona akaiky no manohitra.

Fa endriky ny fanoherana an’i Jesoa koa ny fitondran-tena : mihambo ho mpivavaka, miseho ho mandray sakramenta kanefa tsy latsa-paka. Tsarovy ny tenin’i Jesoa hoe : "tsy izay manao hoe Tompo no hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra fa izay manao ny sitrapon’ny Ray". Misakana an’Andriamanitra tsy hiasa izany. Toy ny niseho tao Nazareta : tsy afaka nanao fahagagana i Jesoa noho ny tsy finoan’ireo.

Momba ny finoana sy fahagagana : ny finoana no mahatonga fahagagana araka ny nampianarin’i Jesoa hoe mahafindra tendrombohitra ny finoana toy ny voan-tsinapy. Ka raha tsy misy finoana tsy afaka hanao inona Andriamanitra, satria i Jesoa tsy hoe mpanao mazia na mpanao fampisehoana ka hanintona maso fotsiny fa ny finoana no mampisy dikany ny fahagagana. Famantarana sy fomba manokana isehoan’ny asan’Andriamanitra ireny fahagagana ireny.

Mialoha lalana ny zavatra rehetra ny finoana ; izy no hahitantsika sitraka amin’Andriamanitra ka aoka ho mafy orina amin’izany. Fanomezan’Andriamanitra ny finoana ka andeha hitalaho mba hahatoky, tsy mivadika. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...