Alahady 15 aogositra 2021 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Mankalaza manetriketrika an’i Masina Maria virijiny nampiakarina any an-danitra ny Eglizy anio. Anisan’ireo foto-pampianarana efatra mahakasika an’i Masina Maria izy io. Ny Evanjely anio anefa dia mitantara ny namangin’i Masina Maria an’i Elizabeta rahavaviny.

Ity farany izay gaga nahita an’i Maria izay Renin’ny Tompo namangy azy. Tonga tokoa izy mba hanampy amin’ny fiterahan’i Elizabeta an’i Joany Batista. Ny Renin’ny Tompo dia te ho mpanompo ary efa nambarany izany tamin’ny namangian’ny Anjely Gabriely azy : "Inty aho mpanompovavin’ny Tompo", tandindon’ny fihetsika nataon’i Jesoa taty aoriana izy io : "Ny Zanak’Olona dia tonga mba hanompo fa tsy ho tompoina". Eto na ny reny na ny zanaka dia samy manana toetra te hanompo antsika olombelona.

Ny fahambonian’i Masina Maria dia tsy mitoetra velively tamin’ny fahasoavana izay nomen’Andriamanitra azy fa noho ny sitrapony mba hanompo. Mangataha àry isika, vavaka aminy mba hampianariny hanompo an’Andriamanitra sy ny namana amim-panetren-tena sy an-kafaliana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...