Alatsinainy 6 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 6-11

Ry Kristianina havana, teo amin’ny fiaraha-monina jody, ny andro sabata araka ny lalàna dia andro tsy iasana fa hanompoana an’Andriamanitra. Tsy afaka manao na inona na inona ankoatra ny fiderana an’Andriamanitra, fa raha manao zavatra hafa na miasa dia manao fahotana mahafaty, mandika ny didin’Andriamanitra. Maneho ny tsy fanajana sy tsy fankatoavana an’Andriamanitra izany. Mba ho azontsika tsara kokoa, raha amin’izao androntsika izao, dia ny mamonjy ny Eokaristia Masina na mandeha any am-piangonana ihany no azo atao.

I Jesoa nandeha namonjy ny Sinagoga, teo amin’ny fanatanterahana ny lalàna no nahita ity lehilahy maty tanana ary tamin’io Izy dia narahina maso na hanasitrana na tsia amin’io andro sabata io mba hiampangana azy. Efa fantatry ny olona, fa i Jesoa manoloana ny aretina dia mangoraka ka manosika azy tsy hijery fotsiny na hipetrapetra-poana fa hanao fahagagana. Fantatr’i Jesoa ny hevitr’ireto olona ireto fa tsy nahasakana azy hanao zavatra amin’ity lehilahy ity. Nodidiany hitsangana Izy ary nolazainy tamin’iretsy hoe : "inona no mety amin’ny andro sabata ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy aina sa ny manala aina".

Ilaina àry ny manana fahasahiana amin’ny fanaovan-tsoa, ary tsy hatahotra na hisalasala manoloana ireo mpanenjika amin’ny fanatanterahana ny famonjena ain’olona. Izany no tsy hikonfesentsika raha sendra tsy afaka namonjy lamesa isika ny andron’ny Tompo fa nikarakara marary. Mazava ny fampianaran’i Jesoa mikasika ny sabata. Hoy Izy : "Ny sabata natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny sabata" (Mk 2, 27). Hoy koa i Masindahy Irénée : "Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny olombelona velona". Ny hamonjy sy hanafaka ny olona rehetra amin’ny fotoana rehetra no nahatongavan’i Jesoa araka ny filamatrany ao amin’i Mansidahy Lioka 4, 18ss.

Mba ho hita fa mitohy ny fanafahana ataon’i Jesoa izay nankininy tamin’ny mpianany dia tsy maintsy ho hita taratra ny fanoherana ny fanandevozana amin’ny endrika maro samihafa, ny fanararaotam-pahefana ary toriana sy ambara ny fahamarinana. Raha ambarantsika amin’ny teny mivantana dia hofongorina ny toe-tsaina mamohehatra eo amin’izao tontolo izao, dia ny kolontsain’ny fitiavan-tena mitarika amin’ny fahafatesana.

Tsy hatahotra amin’ny fanaovana ny marina anie isika, tahaka an’i Kristy, maty Izy noho ny fahamarinana sy ny fanaovan-tsoa fa nitsangana ho velona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...