Zoma 15 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

Mampitandrina antsika manoloana ny fihatsarambelatsihy sy ny fanenjehana i Jesoa Kristy araka ny Evanjely vao nohenointsika teo. Toy ny lalivay ny fihatsarambelatsihy, ka afaka manimba ny hafa eny hatramin’ny mpiray Fiangonana mihitsy aza izany. Mamitaka antsika miaina azy ny fihatsarambelatsihy satria tsy maharitra ela izy ka na ho ela na ho haingana tsy maintsy hiseho ihany ny marina. Tsy natao hiaina ao anatin’ny fihatsarambelatsiny ny kristianina, fa nantsoina hitory ampahibemaso, an-kalalahana feno sy an-kasahiana ny Tenin’Andriamanitra izay noraisiny izy ireo.

Antsoina ihany koa isika mba hanana fahasahiana sy fahatokisana ao anatin’ny fanenjehana. Mandalo fotoan-tsarotra mantsy isika kristianina ankehitriny, satria betsaka ny fankahalana sy ny fanenjehana antsika mpino amin’ny fomba maro samihafa. Aoka tsy hatahotra isika satria tsy mandrava tanteraka ny maha izy azy ny tena akory ny fahafatesana ara-batana mety hihatra amintsika ; tsy afaka manakana antsika tsy hahazo ny fiainana mandrakizay ihany koa izany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...