Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

Ny fiainana dia fanomezan’Andriamanitra ary i Jesoa dia nanoro antsika hoe ahoana ny fomba fiaina satria izao fiainana izao dia manokatra ho antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Zavatra roa àry no takiany amintsika : ny voalohany dia ny fitondrana ny Hazofijaliana izay tsy midika mihitsy hoe : miaritra fahoriana mandrakizay. Fa ny tiany ambara mantsy dia ny hialana amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fandavana ny sitrapontsika mba hidirana any amin’ny sitrapon’Izy Andriamanitra. Ny faharoa dia izay mihitsy, mandà ny tena. Ny fandavana ny tena dia efa hazofijaliana ho antsika izay entina am-pitiavana.

Tsy mora velively àry ny manatona an’i Jesoa Kristy. Tsara ny manamarika fa Izy eto tsy niteny mihitsy hoe : "Aza tiavina ny Ray na ny Reny na ireo Zanaka", fa ireo àry no tokony hampitombointsika mandrakariva ny fitiavana azy, fa aoka kosa mba tsy ho sakana izy ireo amin’ny fanarahan-dia Azy. Eo amin’ny fiainantsika àry dia Izy no tokony omena toerana voalohany sy ambonin’ny zavatra rehetra.

Mamporisika antsika àry eto i Jesoa mba hanana fahamalinana eo am-panarahan-dia Azy tahaka ity lehilahy iray izay hanao tilikambo sy ity mpajaka izay handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa voalazan’ny Evanjely. Mila mandinika alohan’ny hanapahana hevitra marina fa hanara-dia an’i Jesoa, sao mantsy dia ho kivy eny an-dalana. Ny fahafoizana ny zavatra rehetra noho izany no antoka amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...