Alahady 7 novambra 2021 — Alahady faharoa amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44

Ry kristianina havana ! Efa mamaramparana ny vanim-potoana litorjika ny Eglizy izao. Roa herinandro eo ho eo sisa. I Masindahy Marka no mitondra fampisaintsainana ho antsika araka ny Evanjely naroso ho antsika teo. Misy teboka roa handinihantsika tena miainga avy amin’ny fampianaran’i Jesoa ho an’ny vahoaka teo fa miantefa amintsika ankehitriny indrindra ihany koa :

Voalohany, aoka isika ho mailo ary hitandrina amin’ny fitondran-tenantsika miaina ny finoana sy miaina ny maha kristianina antsika. Ny fihetsiky ny mpanora-dalàna ao amin’ny sinagôga no angalan’i Jesoa ohatra ho antsika. Marihina fa hatrany hatrany ireo mpanora-dalàna sy Farisianina mbamin’ny Jody sasantsasany ireo dia maneho fihetsika feno fihatsaram-belatsihy, tsy mifanaraka amin’ny fihetsiny ety ivelany mihitsy ny tena fiainany. Ny fiainana ao anaty anefa no tena sarobidy amin’Andriamanitra ary ny fananantsika fahatsorana eo amin’ny fiainana no tian’ny Evanjely hananantsika ezaka ka hilofosantsika isan’andro. Tandremo àry, sao dia ny vavaka ataontsika dia lasa tsianjery fotsiny ary ny fihetsika maro maneho ny finoana dia lasa fahazarana fotsiny, fa tsy manova ny ao anatintsika na ny fahazaran-dratsy isan-karazany. Sao sanatria tokoa ka hanafenana ny ratsy hatao, araka ny voalazan’ny Evanjely teo, ka tsy maneho ny fitiavan’Andriamanitra fa mampanjaka ny fitiavan-tena. Miezaha mandrakariva hanana fiainana tsotra eo anatrehan’Andriamanitra araka ny maha kristianina sy maha mpivavaka antsika.

Faharoa, araka ny Evanjely teo dia ny fomba fandatsahan’ireo mpivavaka rakitra no hampisainany antsika. Alahady rahateo ny andro ary anisan’ny mandrafitra ny litorjia ataon’ny Eglizy ny rakitra. Rakitra no voalaza fa izay rehetra manodidina ny adidy fanaontsika ho an’Andriamanitra sy ny Eglizy dia fonosin’io fampianarana io avokoa. Izay tia mahafoy, hoy ny foto-kevitra manentana antsika androany : tena araky ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny namana, araka ny fampianaran’ny Evanjely tamin’ny heriny androany, tokoa ve ny fahafoizantsika raha manao ireny rakitra na fizakana isan-karazany ireny sa dia manao ala asa fay fotsiny, na hoe manao ny olona dia manao. Ilay nandatsaka ambim-bava sy ilay mpitondra tena teo no ataon’i Jesoa fanoharana, dia anjarantsika ny mametraka ny tenantsika hoe "aiza ho aiza ny misy ahy ?" Mifanaraka amin’ny fahasoavana omen’Andriamanitra anao ve ny fahafoizanao ho azy sy ho an’ny namana ? Sao dia sanatria taim-paosy araka ny fitenintsika andavan’andro. Raha fahafoizana moa no lazaina dia ny tenantsika manontolo mihitsy no tokony hafointsika ho an’Andriamanitra, satria izay no maha tempoliny ny fontsika. Miezaha àry, mba hanana ny tena fahafoizana marina ho an’Andriamanitra isika.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...