Alahady 28 novambra 2021 — Alahady voalohan'ny amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 25-28. 34-36

Ambaran’ny Evanjely nohenointsika teo fa marefo isika olombelona hany matahotra eo anatrehan’ny famantarana miseho eny amin’ny lanitra sy eny an-dranomasina. Ao ambadik’izany rehetra izany ny tahotra ny fahafatesana izay toa fiafaran’ny zavaboary manan’aina rehetra, satria isika olombelona ihany no manana ny saina mandinika izay hiafarantsika. Eto no hahatsapana ny halalin’ny finoantsika, tsy matahotra izay manana finoana ka matoky an’Andriamanitra. Ambaran’ny tenin’i Jesoa eto fa Andriamanitra no tompon’ny teny farany fa tsy ny ratsy. Andriamanitra no mitondra ny tantara. Izay no antony hiakinana sy atokisana ny Tenin’Andriamanitra satria i Jesoa ihany no nilaza hoe "Matokia fa efa nandresy an’izao tontolo izao Aho". Koa raha ho rava izao tontolo misy antsika izao dia indro misy tonotlo vaovao : "Ho levona izao tontolo izao fa ny Teniko tsy mba ho levona".

Fotoana handinihana lalina ny Tenin’Andriamanitra àry izao vanim-potoana Fiaviana izao. Fotoana natao koa hiovana toetra ka io Tenin’Andriamanitra tafalatsaka lalina ao am-pontsika io no hanova ny fiainantsika ho olon’ny fahatokisana sy feno fanantenana. Miantso antsika i Jesoa mba tsy ho vesaran’ny fihinanan-doatra, ny fimamoana, ny fiahiana izao fiainana izao ny fontsika. Ny fibebahan’ny fo no handavorary ny fiainantsika. Antso avo no ataon’i Kristy amintsika : "Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho afaka amin’izany loza rehetra izany ianareo". Tsy ho mandrimandry manana aretina fa mba hieritreritra lalandava izay hiafaran’ny fiainana. Koa tsy ataontsika ambanin-javatra na ho ambim-piainana ny vavaka, fa ho fototra sy hahazo laka eo amin’ny fiaianantsika, atao mahazo avara-patana eo amin’ny fiainantsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...