Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 7, 6-11)

Andriamanitra nifidy anareo noho ny fitiavany anareo.

Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao.
Ianao no nofidin’ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana,
eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.
Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa,
no niraiketan’ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo;
vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;
fa noho ny fitiavany anareo,
sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo,
dia nentin’ny Tompo nivoaka, tamin’ny tanana mahery,
sy navotany tamin’ny fanandevozana ianareo,
dia tamin’ny tanan’i Faraona mpanjakan’i Ejipta.

Koa aoka ho fantatrao àry, fa ny Tompo Andriamanitrao no Andriamanitra,
dia Andriamanitra tsy mivadika,
fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po,
hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Fa mamaly an-kitsirano kosa an’izay mankahala Azy, amin’ny fandringanana azy;
tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy,
fa hovaliany an-kitsirano izao.
Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio,
ka tanteraho izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay namela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Ny Tompo mpanome rariny:
izay ampahoriana omeny hitsiny.
i Môizy nanehoany ireo fikasàny;
ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.

Mpamidra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-16)

Tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha.

Ry hava-malala,
aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ry hava-malala,
raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.

Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa:

“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara izany tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...