Vakiteny voalohany

Bokin’Izaia Mpaminany (Iz 61, 9-11)

Feno hafaliana ao amin’ny Tompo aho.

Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;
ary ny tamingany any amin’ny firenen-tsamihafa.
Izay hahita azy hahalala azy avokoa,
fa taranaka nosoavin’ny Tompo izy ireo.

Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy
no ampanirian’ny Tompo Tompo ny fahamarinana,
sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

1 Sam. 2, 1. 4-5. 6-7. 8

Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.

Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,

Mampanana sy mandevona ny Tompo,
ampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,

Akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny
fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)

Fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

Ary isan-taona ny ray aman-dreniny
dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;
ka nony efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo,
ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy,
dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely,
nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany.
Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy,
ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy
tamin’ny havany sy ny olom-pantany;
ary nony tsy nahita azy,
dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny tempoly izy
nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,
ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga,
ary hoy reniny taminy:

“Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay?
Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao.”

Fa hoy izy taminy:

“Nahoana no nitady ahy hianareo?
Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho?”

Saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy.
Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy;
fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...