Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 32-39)

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny,
niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana,
nony efa nohazavaina ianareo;
fa mbetika nalam-baraka sy nampahoriana ianareo
sady naseho ho fizahan’ny olona;
mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo
no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo,
satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra
sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo,
fa misy valiny lehibe izany.
Ilainareo tokoa ny faharetana,
mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo,
rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo.
Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy,
fa tsy hiatoato Izy.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana,
fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko.
Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika,
fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40)

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.

Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny.
Ka raha solafaka, tsy midaraboka,
fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray
mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy
ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany
ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...