Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 2, 4b-9. 15-17)
Nentin’ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena.
Tamin’ny andro nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra,
teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha,
ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka,
satria ny Tompo Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany;
ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
Nefa nisy etona niakatra avy amin’ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.
Vovotany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona,
dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony,
ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana,
ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Ary nampanirìn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra
mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao
sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha,
ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Dia nalain’ny Tompo Andriamanitra ralehilahy,
ka napetrany tao amin’ny saha Edena,
mba hiasa sy hiandry azy.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy:
“Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.
Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy,
fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 103, 1-2a. 27-28. 29bd-30)
Tsarovy ny Tompo, ry fanahiko.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro,
izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana,
mifono hazavana ho toa akanjo.
Izy rehetra miandry Anao hamahana azy amin’ny fotoana.
Ianao manome: izy ireo mandray;
sokafanao ny tanana:
manarana amin-java-tsoa izy.
Afeninao ny tava: mipenimpenina izy,
alanao ny fofon’ainy: mody mandry izy!
Alefanao ny fofon’ainao: dia ary izy,
ka mihavao ny endriky ny tany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Izay mivoaka avy ao amin’ny olona no mahaloto azy.
Tamin’izany andro izany,
niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa
ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany
miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”
Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy
ka tonga tany an-trano,
dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana,
ary hoy Izy taminy:
“Hay! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany!
Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy,
satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany,
ka ariana any an-katakonana?
Izany no mahadio ny hanina rehetra.
Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy,
no mahaloto ny olona; satria avy ao anaty,
dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy
dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana,
ny famonoana olona, ny halatra,
ny fahihirana, ny hasomparana,
ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana,
ny fialonana, ny vava ratsy,
ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zavatra rehetra izany
no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.