Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 3, 9-24)
Noroahin’Andriamanitra hiala tao am-paradisan-tany izy mba hiasa ny tany.
Ny Tompo Andriamanitra niantso an’i Adama nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka,
ka dia niery aho.”
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy,
ka dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra
sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovotany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy:
“Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao;
fijaliana no hiterahanao zanaka;
hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.”
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao
ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao,
dia voaozona ny tany noho ny nataonao.
Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy
mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Tsilo sy hery no vokatra homeny anao;
ary anana eny an-tsaha no hohaninao.
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina
mandra-piverinao amin’ny tany;
satria tany no nangalana anao,
fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.”
Ary i Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
Nanaovan’ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra
i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona
raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy
haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany,
ka ho velona mandrakizay.”
Dia navoakan’ny Tompo Andriamanitra
hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy,
mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima
sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena,
mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 89, 2. 3-4. 5-6. 12-13)
Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.
Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry,
ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao:
efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,
Ilay tsy nanam-piandohana ka ho velona mandrakizay.
Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
manipelana maraina vaky vony sy mijoro,
fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Nihinana ny olona ka voky.
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana
dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka
ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny,
sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.