Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 8, 1-9)

Tonga mahantra i Kristy noho ny aminareo.

Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay,
fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy,
dia feno hafaliana izy ireo;
ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy,
dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy.
Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany,
eny mihoatra noho izay zakany aza,
fa niangavy mafy taminay izy
mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.
Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin’ny Tompo aloha,
vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no niangavianay an’i Tito
mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo,
noho izy efa hanomboka izany rahateo.
Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny,
amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona,
ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Tsy didy omeko anefa izany,
fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany
hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 5-6. 7. 8-9a.

Midera ny Tompo aho raha mbola velona aina.

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.

Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny!
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo Mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)


Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 31 ôktôbra 2024

Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...