Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 2, 2-11)

Haja amam-boninahitra ho an’izay manao ny tsara: ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa.

Tsy azo alàn-tsiny ianao, ry olona,
na zovy na zovy ianao no mitsara,
dia tsy manan-kalahatra ianao,
fa amin’ny fitsaranao ny hafa,
dia manameloka ny tenanao koa ianao,
satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran’Andriamanitra an’izay manao toy izany;
ka moa ataonao va, ry olona,
fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa,
dia ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra?
Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy
ka dia tsy ahoanao?
Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra
dia mitaona anao hibebaka?
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao
sy ny fonao tsy mibebaka ho anao,
amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara
ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa
ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina,
fa mpanaraka ny ratsy.

Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa;
fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa
ho an’izay manao ny tsara,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa,
satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 61, 2-3. 6-7. 9

Ianao mamaly ny olona araka ny asany.

Ao amin’Andriamanitra no iadanan’ny fanahiko.
Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko,
sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana.
Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.

Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana,
ao amin’Andriamanitra izay antenaiko fatratra,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko.
Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana,
mijoro tsy hihontsona aho;
fa Izy re no rovako.

Aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany,
dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)

Loza ho anareo, Farisianina, fa mampitondra entan-tsy zaka ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:

“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany,
ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga
sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo,
fa toy ny fasana tsy hita ianareo,
ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”

Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray
ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao,
dia manala baraka anay koa Ianao.”

Fa hoy i Jesoa:

“Loza ho anareo koa,
ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza
tsy akasikareo an’izany akory.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...