Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 12-18)

Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray.

Ry kristianina havana,
aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty
amin’ny fanarahana ny filan-dratsiny
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana
hataony fiasana fanaovan-dratsy
fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo,
izay maty no velona indray,
sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana,
satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna,
fa ambanin’ny fahasoavana.
Ahoana àry: hanota va isika,
satria tsy ao ambanin’ny Lalàna,
fa ao ambanin’ny fahasoavana?
Sanatria izany!
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena
ho mpanompo mba hanaiky azy,
dia mpanompon’izay ekenareo ianareo,
na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany,
na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ary isaorana Andriamanitra,
fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo,
dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
ary rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely!
raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsampazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika,
fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny!

Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato ka afaka isika!
Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
ny ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy,
fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Koa mivonòna koa ianareo,
fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.”

Dia hoy i Piera taminy:

“Tompoko,
ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany,
sa ho an’ny olona rehetra koa?”

Ary hoy ny Tompo:

“Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry
izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony
mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony
manao tahaka izany raha avy izy.
Lazaiko marina aminareo fa hotendreny
ho mpitandrina ny fananany rehetra izy.
Fa raha izany mpanompo izany kosa,
manao anakampo hoe:

‘Ela vao ho avy ny tompoko’,

ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy,
sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hataony rotiky ny kapoka izy,
ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany
nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony,
no hokapohina imbetsaka;
fa izay tsy nahalala kosa,
na nanao zavatra mendri-pamaizana aza,
dia hokapohina kelikely ihany.
Izay nomena be no hitakiana be,
ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...