Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 21-28)

Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony
ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny,
ho velona izy, fa tsy ho faty.
Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony;
ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.
Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina,
araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy,
— moa hanao izany izy va ka ho velona? —
Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny;
noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony;
noho izany, dia ho faty izy.

Ianareo manao hoe:

‘Tsy marina ny lalan’ny Tompo!’

Mihainoa àry, ry taranak’i Israely:
Moa ny lalako va no tsy mahitsy?
Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany,
dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy,
ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony dia hamelona ny fanahiny izy.
Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy,
dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8)

Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso;
Tompo ô, henoy re izany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no hahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.

Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany.
Vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.

Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:

Aza mamono olona,
ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Raka,
dia hohelohina amin’ny Sanedrina
ary izay hanao azy hoe Foka
dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...