« …Indro hafaliana lehibe no ambarako aminareo » Lk 2,10. Arahabaina nahavita soa ny Noely ary mirary soa anareo rehetra amin’izao taona vaovao 2020.

Ry rahalahy sy havana malala,

Hafaliana lehibe no itokanana an’ity tranokalam-pifandraisan’ny Radio Don Bosco ity amin’izao andron’ny Taombaovao sady fetin’i Masina Maria Renin’Andriamanitra izao. Fankasitrahana no atolotra an’ireo rehetra tsy nitandro hasasarana nahatongavana amin’izao andro malaza izao. Efa ho iray taona maninjitra tokoa izay, nanomboka tamin’ny desambra 2018 namangian’i Frera Sebastien Robert, mpiandraikitra ny fifandraisan’ny mpiara-belona ao amin’ny provinsin’ny France-Belgique, mba hanampy amin’ny fanavaozana ny tranonkalam-pifandraisan’ny Radio Don Bosco. Nisy ny fiofanana natao tamin’ny Post-novices tany Fianarantsoa sy tamin’ireo vondron’olona mpiara-miasa tato amin’ny Radio Don Bosco.

Fiofanana momba ny famolavolana tranokala-pifandraisana niaraka tamin'i Fr Sebastien Robert, sdb

Fisaorana no atolotra an’i Mompera Eric Franck Randriamiandriniranirivo, Talen’ny Radio Don Bosco sy ny ekipany. Raisiko ho voninahitra koa ny mankasitraka manonkana an’i M. Ranaivomanantsoa Harilanto, mpiandraikitra ny tranokala-pifandraisana, nahatomombana izao asa fanavaozana goavana izao. Eo ianareo rehetra mpiara-miasa ato amin’ny Radio Don Bosco, miantefa aminareo ny fiarahabana sy fankasitrahana amin’ny fahavononanareo hanome izay tsara indrindra ao aminareo.

Natomboka amin’ity andro lehibe ankalazana an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra ity ny fanapariahana ny tranokalam-pifandraisan’ny Radio Don Bosco. I Masina Maria, ilay efa nitantana an’i Don Bosco no irintsika hitantana sy hiaro antsika amin’ity sehatr’asa manokana izay mampiharihary ny laharam-pahamehana amin’ny asan’ny salezianina. Fahiny i Md Don Bosco, mpanorina ny fikambanantsika, nametraka ny fifandraisan’ny mpiara-belona ho toy ny sekoly goavana sy mahomby. Tsy tokony ho very an-javona ao amintsika ny herim-pon’ny mpanorina ny fikambanantsika. Nasaina isika mba hampivelatra ny fikatrohantsika amin’ny fampiasana amim-pahamendrehana sy mahavokatra ny haino aman-jery ho toy ny fitaovana mahazatra hampitana ny fanabeazana sy endrika vaovao hanehoana ny fisiantsika. Mirary soa ho anareo mpitsidika ity tranokalam-pifandraisana ity mba hahazo fankaherezana sy herim-po mba hahatonga anareo ho famantarana ihany koa ary ho mpitondra ny fitiavan’Andriamanitra any amin’izay toerana rehetra misy anareo.

Te hitondra ny anjara birikiny ho an’ireo mikatsaka ny fanabeazana tsara araka ny fampianaran’i Don Bosco ity tranokalam-pifandraisana ity. Fanehoana ny iraka amin’ny maha-mpanabe tanora anay ny lahatsoratra sy ny fandaharana atolotra eto. Amin’izao fanombohan’ny taona 2020 izao, angatahantsika Andriamanitra mba handrotsaka ny tsodranony ho antsika, miaraka amin’ny vavak’i Masina Maria Virjiny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...