Mandritra ny vola jona isika dia manaja manokana ny Fo Masin'i Jesoa. Ilay Fon'i Jesoa, voatrobaky ny lefona tamin'ny zoma masina ; Fo Masina misokatra, mivaivaim-pitiavana, mampitobaka amintsika amin'ny alalan'ny rà sy ny rano, ireo fahasoavana manadio.

Io Fo voatrobaka io dia miantso sy manasa antsika hibebaka. Anjarantsika ny miondana eo amin'ny tratran'i Jesoa toa ny nataon'i Masindahy Joany apôstôly. Rehefa vonto ny fitiavany isika dia afaka manohy indray amim-pinoana ny làlan'ny fibebahana. Làlana mitozo amin'ny fizàrana ny tamba-java-iainana anaty : fandosirana ny resabe sy ireo teny lava tsy ilaina, tsy sanatria finiavana ny ho hentitra amin'ny tena fotsiny, na faniriana ny ho maona, fa mba handraisana ny fahazarana monina ao amin'ny tena, fahazarana mijery ny atin'ny fon'ny tena ka hizotra miandalana ho naman'ny fanginana, sakaizan'ny vavaka.

Tsy maintsy miroso lavidavitra kokoa anefa isika. Andeha àry ianarantsika ny hitombo ao amin'ny fitiavana. Andeha hirotsaka ao amin'ny sekolin'i Jesoa, Ilay malemy fanahy sy manetry tena ao am-po. Rehefa manaiky ny hiombona amin'i Jesoa isika dia hiova ho fo nofo ny fo vatontsika. Atsipazo ao amin'io afo mivaivaim-pitiavana io ny fontsika mba voadio tanteraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...