Ho raisin’ny ao ROME ny fanamarihana ny fahefa-taonan’ilay fihaonana manan-tantara tany CUBA teo amin’i Papa François sy ny Patriarka KIRILL, lehiben’ny fiangonana orthodoxe rosiana.

Fihaonana izay nanokatra pejy vaovao eo amin’ny fifandraisan’ny eglizy 2 tonta. Marihana isan-taona io tsingerin-taona io ary atao hanamafisana ireo lohahevitra vaoarika tamin’ny fanambarana iombonana. Notanterahina tao Fribourg, tsiahivina, ny tsingerina-taona voalohany tamin’ny 2017. Tany Vienne kosa ny faharoa tamin’ny 2018. Natao tany Moscou ny fanamarihana fahatelo ary izao ho tanterahina any Rome izao ny fahefatra. Hihaona amin’i Papa François rahampitso alakamisy ao Vatican ny filohan’ny departemanta misahana ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa eo anivon’ny Patriarkàn’i Moscou, ny métropilite Hilarion. Mialoha izany anefa dia hihaona amin’i Kardinaly Kurt Koch, filohan’ny filankevitra paontifikaly misahana ny fampiombonana ny mpino kristianina ny tenany. Notsiahivin’i Kardinaly Kock moa ny vontoatin’io fihaonana tany La Havane any Cuba io ka isan’ny navoitra ny tamin’izany ny nitondrana ireo “reliques” an’i Masindahy Nicolas tany Moscou sy Saint-Petersbourg tamin’ny taona 2017. Niarahan’ny orthodoxe sy ny katolika tany Russie ny fanomezam-boninahitra izany tamin’io fotoana io.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...