Samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao aminy ny olona rehetra. Miseho koa io fahatsapana io eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy nandao ny olombelona mpanota ao amin'ny famindram-pony anefa Andriamanitra.

Taorian’ny fahalavoana, ny fanambadiana dia manampy handresy ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitadiavana fahafinaretan’ny tena irery, ka hisokatra amin’ny hafa, amin’ny fifanampiana, sy amin’ny fanoloran-tena. Fandaharana momba ny sakramentan'ny mariazy, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...