Ny amin’ireo Konsily Ekomenika sy tena nanan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana. Taorian’ny Fihaonamben’ny Mpino Kristianina voalohany, niaraka tamin’ny Apostoly, izay natao tao Jerosalema ny taona 50 (na 49) izay notarihin’i Piera, dia miisa 21 ireo Konsily Ekomenika izay samy nanamafy ny finoan’ny Mpino araka ny fampianaran’ny Apostoly, niatrika ireo fanavaozana lehibe, teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana Katolika. Niaro ny zon’ny olona, nitandro ny fandriampahalemana. Ireto avy izany sy ny Papa nitarika azy: 1) Nicée I (325) Silvestra I. 2) Konstantinopla I (381) Damase. 3) Efezy (431) Célestin I. 4) Kalsedoanina (451) Léon le Grand. 5) Konstantinopla II (553) Vigile. 6) Konstantinopla III (680-681) Agatone. 7)

Raha tombanana sy fintinina tsotra dia tsotra ny amin’ireo resadresaka sy fanontaniana ary valiny, teto amin’ny fandaharana «Hono ho’ aho Mompera», nandritra ity taona 2022 ity, dia azo lazaina fa tao ireo fanontaniana tsara sy tena mahasoa tokoa ary matotra, tao ireo fanontaniana tsotra sy mazava noho ny tsy fahalalana sy ny fetra ananantsika, ary tao koa ireo fanontaniana toa mitsapatsapa sy natao fanahy iniana ka somary manahirana be ihany ho an’ny sasany.

Ny Aina sy ny famonjena dia mifamatotra sady tsy misaraka, koa mila mpamonjy izay rehetra tandindomin’ny loza dia ny fahafatesana. Rariny àry ny mampahatsiahy eto fa i Jesoa no hany Mpamonjy antsika, satria ny hamonjy antsika olombelona mba tsy ho faty mandrakizay sy hiaro ny Aina no nahatongavany teto an-tany. Ny kristianina tsirairay izay samy mpanara-dia Azy moa dia natao haka tahaka Azy, ka voalohan’adidin’ny mpino ny mifarimbona hiaro ny Aina sy hiahy ny ain’ny hafa.

Zava-dehibe ny fahafahana ka tokony ho tsapan'ny tsirairay fa tsy tokony hanohitohina ny fahafahan'ny hafa ny fahafahana ananana. Ny zon'olombelona, ny lalàna, ny dina ary ny fady no mamehy ny atao hoe "législation". Betsaka ny olona manitsakitsaka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra ka mahatonga ny korontana, izay mahavery zo ny hafa, ary tsy mahatontosa ny adidiny noho ny fanelingelenana ataon'ireo milaza ho manana fahafahana diso tafahoatra. Ilaina ny manoa ho zava-dehibe ny fifampifehezana eo amin'ny fiaraha-monina izay mifototra amin'ny lalàna. Tokony hasongadina ny "dina" sy ny "fady" satria iry voalohany dia hifehezana ny fiaraha-monina, fa ny faharoa kosa dia hanabeazana ny ankizy sy ny adolantsento...

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...