Manana andraikitra lehibe ny ray aman-dreny isan-tsokajiny mba hahay hifanampy sy hifanaja ; ny fanabeazana dia adidy tsy maintsy sahanin'ny ray aman-dreny : fanabeazana ara-batana, ara-tsaina amin'ny alalan'ny fanofanana, ara-panahy mifantoka amin'ny fifehezan-tena. Aoka isika rehetra mba hanara-maso sy hifehy ny tambazotra-tsôsialy sy ny serasera fa maro ny lafiny ratsy aterak'ireny ary matetika efa manimba ny fiainan'ny maro vao hita ka tara ny fandraisana andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...