Fotoana famonosan-drazana ny volana aogositra hatramin'ny septambra. Nanomboka ny vanim-potoana nanenjehana ny kristianina no tena nampiroborobo ny famadihana. Taloha dia isaky ny 15 na 20 taona vao misy ny famadihana, izay entina hifankahafantarana sy hanamafisana ny fihavanana, hanaovana fiaraha-misakafo. Ankehitriny dia simba ireo fomba teo aloha, lasa ny vola no mibaiko fa tsy manao ho zava-dehibe ny fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.