Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindra-fo ny aiko, Hazavao aho anio, ambeno ary tahio ary zakao, Amen ;  Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...