Adidin'ny Kristiana no mitondra am-bavaka ny fiainan'ny firenena sy ireo mpitondra, hahatontosa ny faniriana. Feno 35 taona amin'ity taona ity no nisehoan'i Masina Maria tao Anosivolakely, raha tsiahivina ny 10 novambra 1990 tamin'ny 8 ora alina no nanambarany ihany koa ireo loza hitranga hanjo ny Malagasy sy ny firenena, ary ny fomba hialàna amin'izany loza izany. I Masina Maria no vonjy ho antsika koa irariana ny hiarahantsika mivavaka, hiaraka amin'ireo havana efa nodimandry sy ilay Renin'Andriamanitra, hivavaka ho an'ny Malagasy sy ny fampandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.