Manana hasina ny ain'olombelona, natao ho hajaina sy harovana amin'ny fomba rehetra ; manana hasina ihany koa ny fahefana rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pinoana, ara-panjakàna, natao ho toavina. Very hasina ny fanjakàna izay sahy mandatsaka ain'olona, fa very hasina ihany koa ny vahoaka izay sahy manivativa sy manalabaraka ireo olona manana andraikitra, ray aman-dreny eo aminy sy ny fiaraha-moniny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.