Ny asan'ny olombelona eto amin'izao tontolo izao dia maro sy manana ny lanjany ; maro anefa ireo manao tsinotsinona ny asan'ny hafa toy ny asan'ny tantsaha sy ireo olombelona anaty fahasahiranana, indrindra ireo mpitondra. Tsy voahaja ny zon'ny olombelona, ny fitsipika mibaiko sy hitondrana ny asan'ny olombelona dia ny Didin'Andriamanitra (ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana). Misy rohy voary mifamatotra amin'ny asan'ny olombelona, tokony hajaina ny tontolo manodidina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...