Mila hentitra isika amin'ny fisian'ny gaboraraka eto amin'ny firenena sy ny fiainana andavanandron'ny mponina, izay miteraka voka-dratsy. Tsy maintsy manao ezaka isika handresy ny ratsy ary handà ny tsy rariny, eo no ilàna ny fitiavam-bavaka. Fahadisoana lehibe ny fampindramana ny fahefana amin'ny olona tsy marina sy tsy miaro ny madinika ary mpanitsakitsaka ny zo aman-kasin'ny mpiara-belona. Adidin'ny feno taona ny mifidy ary hifidy izay olona tena afaka ny hampanjaka ny fahamarianana sy ny fahitsiana, lavitry ny gaboraraka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.