11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Tao Lourdes no nisehoan'i Masina Maria ho mpitondra tenin'ny sitrapon'Ilay Zanak'Andriamanitra. Betsaka ny traik'efa hita ao Lourdes: ao ny olona no mianatra mijaly toa an'i Kristy ary manaiky ny fangirifiriana toy ny naneken'i Kristy ny fampijaliana azy. Fa ao amin'io toerana io ihany koa no ianarana fa manamaivana ny fijaliana ny finoana. Fijaliana izay manjary fanehoana fitiavana.

Ny 11 febroary 1984 ny papa Joany Paoly II no nanolotra ilay taratasy apôstôlika manazava ny hevitra na ny lanjan'ny fijaliana eo amin'ny fiainana kristianina. Taratasy apôstôlika nampitondrainy ny lohateny hoe "Salvici doloris". Herintaona taorian'io izy no nanangana ny Filankevitra Pôntifikaly ho an'ny pastôralin'ny fahasalamana ary nambarany fa andro eran-tany ho an'ny marary sy ireo mpitsabo ary ireo mpikarakara azy ny 11 febroary. Tamin'ny 13 mey 1992 no nanambarany izany ampahibemaso.

Dia izay ihany koa no mbola tohizin'ny Fiangonana amin'izao fotoana izao, hahatsiarovana ireo rehetra miaina izany fangirifiriana izany, ireo rehetra mikarakara azy, ireo mpitsabo azy amin'ity 11 febroary ity.

[Miara-dàlana] Zoma 17 jolay 2026

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...