27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.

Nentin'ny rano izany nofo mangatsiakany izany ka hita tao Graville, Havre tanana kely ao Seine-Maritime. Nalain'ny kristianina tao io vatany io ary nalevin'izy ireo ary nanorenana chapelle teo ambony fasana. Tamin'ny faran'ny taonjato fahasivy, izany hoe tany amin'ny taona 876 tany dia nafindran'ireo pretra tany Conflans ny "reliques" an'i Masimbavy Honorine mba hiarovana azay tamin'ny hetraketrak'ireo Normands tamin'izany fotoana izany. Nanomboka tao ny fanajana azy isaky ny fankalazana ny niakaran'i Kristy any an-danitra. Maro ny fahagagana niseho tao, ary ireo voafonja afaka noho ny vavak'i Masimbavy Honorine dia manantona ny rojony mba ho fankasitrahana an'ity olomasina ity.

Ny taona 1080 dia niangavy ireo Bénédictins tao Bec Hellouin tao Eure ny pretra tao amin'ny toerana nisy ity chapelle ity mba ho avy hikarakara izany toerana izany. Tamin'izany indrindra no nananganan'ireo Bénédictins ilay toeram-pivavahana nantsoina hoe "Parc du Prieuré", notokanana ny 21 jona 1086. Hatramin'izay ka hatramin'izao dia misy hatrany isan-taona ny dia mivavaka ho fanajana an'i Masimbavy Honorine ao Conflans.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...