08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

Rehefa niala tao amin'ny tranon-dray aman-dreniny izy dia nirenireny teny rehetra teny nandritra ny 33 taona. Nahantra moa ny ray aman-dreniny, fa tena kristianina kosa. Rehefa nirenireny izy dia nihazo ny lalana mankany Madrid, very lalana anefa izy ka nanaraka mpiandry ondry. Tao aoriana kely izy dia niditra tao amin'ny tafik'i Charles Quint ary tao no henony ny nahafatesan-dreniny ka teo na nampitodika azy tany amin'Andriamanitra. Notanany ny teniny ka nanomboka teo dia ny vavaka sy ny famolahan-tena no nandaniany ny androny, nanompo sy nanampy ny mahantra ihany koa izy. Tamin'ny faha-45 taonany izany fiovana lehibe teo amin'ny fiainany izany.

Nitoetra tao Grenade izy, nanao varotra kely ka nangoniny ny tahiriny mba ahafahana manangana hôpitaly hitsaboana ireo mahantra. Mba ahafahany mamahana ireo marariny ireo dia mitondra kitapo ao an-damosiny izy ary vilany, isan'andro, mitety tanana mangataka mba hamahanana ireo marary ireo. Samy nanampy azy daholo izay sendra azy, ny fahasaovan'Andriamanitra rahateo koa nitsokisany ary tsy dify azy mihitsy. Nitombo ny mpianany ka nanorina ny fikambanana Frères Hospitaliers izy, izay nihanaka nanerana an'i Eoraopa manontolo.

Indray andro, niseho taminy ny Renin'Andriamanitra, nitazona fehiloha tsilo ary niteny taminy: "Jean! amin'ny alalan'ny tsilo no hahazoanao ny satroboninahitry ny lanitra." Ka hoy izy tamin'izay: "Tsy hihoty voninkazo hafa intsony aho ankoatra ny tsilon'ny hazofijaliana. Ireo tsilo ireo no ho raoziko." Indray andro izay ihany koa nisy mahantra notsaboiny, nanjavona io fa niteny taminy hoe: "Izay ataonao amin'ireo mahantra ireo dia izaho no hanaovanao izany." Ny taona 1550 no nantsoin'ny Ray hody any aminy i Jean de Dieu. Anisan'ireo olomasina mpiaro ny marary izy ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...