10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.

Lasa saro-piaro noho izany fihetsiky ny Amperora izany i Théodora vadiny. Mba hialan'i Anastasie amin'ity fihetsiky ny Amperora ity dia nanova fitafy izy, nanao fiakanjon-dehilahy ka lasa nanalavitra ny tanana sy nadeha nitoka-monina. Nandritra ny enin-taona izy dia niaina tao anatin'izany saron-tava izany tany Alexandrie. Tao aorian'izay dia tratran'ireo iraky ny Amperora Justinien indray izy. Nandositra anefa izy ka nandeha nitoka-monina nanirery tany amin'ny efitr'i Scété ary nitondra ny anarana hoe Anastasia l'Eunuque.

Nandritra ny 20 taona teo ho eo izy no niaina tao ary nodimandry ny taona 567. Tsy mba nilaza ny momba azy ny lehiben'ny trano fitokana-monina raha tsy efa 15 taona tao aorian'ny nahafatesany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...