23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.

Nihazo an'i Amerika izy ary matetika no nitsidika ireo kristianina indianina tao amin'ny diosezy izay midadasika nosahaniny, ary an-tongotra hatrany no hanaovany izany fitsidihana izany. Niady nanohitra ny fanamparam-pahefan'ny mpanjaka izy. Nanokatra seminera, ary izy ihany koa no nanentana ireo mpitrandraka volamena mba tsy hihevitra ireo Indianina hoy toy ny andevo.

Malemy fanahy i Alphonse Turibio, manam-paharetana, mahery fo ary maro ny fihavaozana nentiny tao Pérou indrindra fa ny fanajana ny fahamendrehan'ny olombelona. Nomelohiny ny fanamparam-pahefana sy ny hadisoana nataon'ny pretra rehefa misy ny sinaody hifanakalozan-kevitra. Narovany mafy ny Fiangonana, nampibebaka sy nampianatra katesizy ireo babo izy. Tao Santa izy no nodimandry ny 1606 nandritra ny fitsidihana pastôraly nataony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...