23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.

Nihazo an'i Amerika izy ary matetika no nitsidika ireo kristianina indianina tao amin'ny diosezy izay midadasika nosahaniny, ary an-tongotra hatrany no hanaovany izany fitsidihana izany. Niady nanohitra ny fanamparam-pahefan'ny mpanjaka izy. Nanokatra seminera, ary izy ihany koa no nanentana ireo mpitrandraka volamena mba tsy hihevitra ireo Indianina hoy toy ny andevo.

Malemy fanahy i Alphonse Turibio, manam-paharetana, mahery fo ary maro ny fihavaozana nentiny tao Pérou indrindra fa ny fanajana ny fahamendrehan'ny olombelona. Nomelohiny ny fanamparam-pahefana sy ny hadisoana nataon'ny pretra rehefa misy ny sinaody hifanakalozan-kevitra. Narovany mafy ny Fiangonana, nampibebaka sy nampianatra katesizy ireo babo izy. Tao Santa izy no nodimandry ny 1606 nandritra ny fitsidihana pastôraly nataony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...