15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.

Raha iverenana kely ny fiainany dia anisan'ireo heverina fa iray amin'ireo fito mpanorina an'i Bretagne izy. Ny taona 465, nandritra ny Kônsily tao Vannes notarihin'ireo eveka enina tao amin'ny Province ecclésiastique tao Tours, no nanamasina ho eveka an'i Paterne. Voalaza fa i Paterne no isan'ny nanangana ireo trano fitokana-monina maro tao Pays de Galles, izy koa no nampibebeka mpanjaka maro tao Irlande.

Nandritra ny Moyen-Âge dia najaina tao amin'ny tananan'i Vannes i Paterne. Nisy ihany koa ny fivahinianana masina fanajana ireo olomasina fito tao Bretagne, nantsoina hoe Tours de Bretagne. Marihana fa i Paterne no olomasina mpiaro ny tananan'i Vannes sy ireo toerana sasany toa an'i Bretagne, ny any Tourraine ary ny any Maine.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...