20 aprily — I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.

Rehefa avy nandà i Odette dia teo koa no nangatahany ampahibemaso fa te ho relijiozy izy. Gaga sy talanjona ny iray fiangonana. Ny rainy dia nandà izany faniriany izany, fa izy kosa nikiry hatrany ka farany dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny relijiozy tao Prémontré, tao amin'ny trno fitokana-monina Bonne-Espérance tao Belgique. Lasa lehiben'io fikambanana io izy tao aoriana. Tao izy no nodimandry ny taona 1158. Marihana fa io trano fitokana-monina izay nisy an'i Odette io no hany niangana tamin'ny Revôlisiôna frantsay.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...