08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.

Mpitana ny tombokasem-panjakana, ary voatendry ho eveka tao Bourges izy taorian'ny nahafatesan'i Masindahy Arcade. Niezaka hatrany ny hahafaly ny rehetra izy teo amin'ny fanatanterahana ny asany, ary matetika izy no maniry hiala ao amin'ny lapa noho ny fiainana tao feno haratsiana sy habibiana. Nampihavaka azy ny fiezahana hatrany hampanjaka ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Anisan'izany ny nampihavanany an'i Anjou sy i Poitou izay niady. Ary nadravona, ihany koa izy, ny adin'ny foko Allemand, vonono ny hifamono tamin'izany fotoana izany.

Nadray anjara tamin'ny Kônsily faha-5 tao Orléans izy, fivoriam-be tamin'ny taona 549, ny faharoa tao Auvergne izay nanomboka herintaona tao aorian'io. Ireo konsily ireo dia nanameloka ny hadisoan'i Nestorius sy i Eutychès, ary nanolotra fitsipika hendry ho fiarovana sy famerenana amin'ny laoniny ny fitsipi-piainan'ny pretra sy ny Fiangonana. Sivy taona moa no nanaovan'i Désiré an'izany asa izay tao amin'ny dioseziny, izany hoe ny naha eveka azy izany. Nodimandry ny 08 mey 550 i Désiré.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...