18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.

Ny voalohany nataony tamin'izany dia ny fampihavanana ny Suédois sy ny Finlandais, ary nanan-kery hatramin'ny taona 1809 izany raharaham-pihavanana izany. Nanafika am-pitaka an'i Eric i Magnus Henriksson, andriandahin'i Danemark mba handrombaka an'i Suède, fa hoy i Eric hoe : "Avelao aho aloha hamonjy Sorona Masina". Vao vita ny Sorona Masina dia raikitra ny fifanjevoana ka voan'ny sabatra teo amin'ny tendrany Eric ary maty. Voalaza fa ny 18 mey 1161, andro Fiakarana io nahafatesan'i Eric io ary tao Uppsala izy no nalevina.

Rehefa nandroso ny tanana dia nafindra tany Stockholm ny renivohitra, dia nafindra koa ny diôsezy sy ny katedraly rehefa nomen'ny papa Alexandre IV alalana tamin'ny taona 1271. Nafindra tamin'izany koa ny taolam-balon'i Eric, ary mbola hita tamin'izany ny dian'ny sabatra teo amin'ny tendany. Nanomboka teo amin'ny fotoana nandevenana azy dia tsy nijanona mihitsy ny fanajan'ny olona ity olomasina ity raha tsy efa niova ho Loterana ny fivavaham-panjakana, izany hoe 400 taona taty aoriana. Ny maha martiry azy dia noho izy novonoina raha vantany vao vita ny Sorona Masina. Tsy maty tao am-pon'ireo Suédois ny herim-po nananan'i Eric, ka lasa môdely ho azy ireo izy amin'ny fiarovana ny firenena. Raha misy fanafihana na ady atrehina dia ny hiakan'ireto Suédois ireto ny hoe : "Miaraka amin'Andriamanitra sy i Eric".

Isaky ny 18 mey, tsingerin-taonan'ny nahafatesany, dia misy filaharam-be miainga avy any Uppsala mankany Stockholm. Ventesin'izy ireo amin'izany ny hoe : "I Eric nanome salohy rehefa tonga ny 18 mey, i Olave, mpanjakan'i Norvège kosa mahandro ny mofo rehefa tonga ny 29 jolay". Tena nanana mari-panajana manoka i Eric ho an'ny Suédois. Izy no nanorina ny lalam-panorenana voalohany tao, olomasina izy ho azy ireo, ka nandritra ny taona maro dia teo ambony fasany no nanaovana ny fihanianana malaza. Nanana anjara toerana lehibe tao amin'ny vako-pirenena tao Stockholm ihany koa i Eric, ary nohajaina ho mpiaro ny firenena, fa nantsoina hoe : "Mpiaro ny fanjakana sy mpanjaka mandrakizay".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 febroary 2025

• Nankalazaina omaly 2 febroary ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiainana Voatokana. Anisan'ny nanamarika izany ny relijiozy rehetra teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, natao teny Mandrimena Iavoloha... • Nankalazaina tamin'ny zoma 31 janoary 2025 ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, mpanorina ny Fikambanana Saleziana. Nitarika ny Eokaristia Masina tamin'izany ny Arsevekan'Antananarivo... • Mila ny fahazavan'i Kristy ny tontolo ankehitriny, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...