07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana  Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.

Nanambady an’i Pétronille i Gilbert, ary niteraka vavy iray atao hoe Poncie ry zareo ireo. Voa niverina avy any amin’ny ady izy dia nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’Andriamanitra ka nifidy niaina ny fitokana-monina, nomeny ny mahantra ny fananany ary nanorina trano fitokana-monina tao Neuffonts izy ny 1152 ka nifidy ny fitsipi-piainan’ny Odre des Prémontrés. I Pétronille vadiny sy i Poncie zanany vavy kosa moa nanamboarany trano fitokana-monina tao Aubeterre, paroasy tao Vernet ka i Pétronille no nitantana izany voalohany, avy eo nodimbiasan’i Poncie.

Nanorina hôpitaly fitsaboana boka ihany koa i Gilbert tao amin’io tanana nitoerany io, ary maro ny fahagagana nasehony tao. Nibebaka sy hantra olona i Gilbert ka tsy tambo isaina ireo marary tonga ao aminy mitady fanasitranam-batana sy fanamaivanam-panahy amin’ny mahazo azy. Betsaka ihany koa ireo amin’ny faritra maro samihafa no nentina teo aminy, nametrahany tanana ireo ka sitrana.

Rehefa trotraky ny famolahan-tena sy ny asa fanompoana nataony moa i Gilbert dia niala sasatra any amin’ny mandrakizay ny 5 jona ny 1152. Araka ny faniriany dia nalevina tao amin’ny fasan’ireo mahantra nokarakarainy tao amin’io trano fitokana-monina io i Gilbert. Noho ny fanajana fatratra nataon’ny olona azy tamin’ireo fahagagana maro nasehony dia nanapa-kevitra ny lehiben’ny fikambanana mompera Jean Lepaige fa hotadiavina ny sisa taolany. Tsy hita io sisa taolana io raha tsy ny 26 ôktôbra 1165. Tamin’ny 1171 nandritra ny revolisiona frantsay dia nafindra tany amin’ny fiangonana Saint-Didier io reliques io mba iarovana azy. Lazaina moa fa i Masindahy Gilbert no mpiaro ny Bourbonnais.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...