14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.

Tamin’ny taonjato fahasivy talohan’i Jesoa Kristy i Elisée no niana, nitory teny tany amin’ny Fanjakana Avaratra izy, ary nampibaribary ny fahatokisana an’Andriamanitra tokan’i Israely, nanoloana ny fanompoan-tsampy nataon’i Baal sy Astarte izay niparitaka hatrany amin’ny Fanjakan’i Jodà ka hatramin’ny Fanjakan’i Israely. Araka ny voalaza ao amin’ny Boky voalohan’ny Mpanjaka 19, 19-21 dia hoe : “Nony niala teo i Elia, dia nahita an'i Elisea, zanak'i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin'ny faharoa ambin'ny folo laharana izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny lambabeny. Nilaozan'i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an'i Elia izy, nanao hoe : Aoka handeha hanoroka an'i dada sy ineny aho, dia hanaraka anao. Ary hoy Elia taminy : Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho ? Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan'ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin'ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an'i Elia sy nanompo azy”.

I Jesoa koa ao amin’ny fampianarany voalohany nataony tao amin’ny sinagaoga avy tao Nazareta dia nandray ohatra tamin’i Elie sy i Elisée. Nampatsiahy an’i Elie sy ilay vehivavy mpitondra tena tao Sarepta, araka ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly nosoratan’i Masindahy Lioka 4, 25-30. Marihina moa fa hajaina ao Samaria ny fasan’i Elisée.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...