19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.

Nanenjika an’i Romuald ny heritreriny satria nohoveriny fa iray tsikombakomba tamin’izany asa famonoana izany ny tenany ka lasa izy nande nanao asa fivalozana sy fibebahana tany amin’ny trano fitokana-monina bénédictin Apollinaire-in-Classe. Rehefa nibebaka tanteraka izy dia nangataka ny akanjon-drelijiozy, tena niezaka izy ary tena lasa mpitoka-monina fatratra ka nisy ireo namany nialona azy tamin’izany fiovana mahery vaika izany ka saika hamono azy. Nisy nahalala io fikasana ratsy io ka nomena alalana handao ny trano fitokana-monina i Romuald ary nankany Venise tamin’ilay mpanirery antsoina hoe : Marin. Ny taona 987 ary izy mirahalahy ireto dia nifindra tany Cuxa. Tao amin’ny trano fitokana-monina Saint-Michel niaraka tamin’i Pierre Orseolo. Rehefa tonga tao izy ireo dia noraisin’ny don Guerin koa i Romuald ary izy mihitsy no nitarika am-panahy azy nandritra ny fotoana vitsivitsy. Avy eo moa dia nomeny alalana indray i Romuald hanao ny fiainan’ny mpanirery any amin’ny trano-fitokana monina hafa nandritra ny telo taona.

Nikasa hiverina tany Ravenne i Romuald mba hijery an-drainy, saika hiala amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina satria koa moa ny rainy dia nitoka-monina tao Ravenne. Tsy navelan’ny mponina tao Cuxa anefa i Romuald satria aleon’izy ireo mahita azy maty ao aminy toy izay hanalavitra azy. Nikiry ihany Romuald, niseho toy ny adala izy teo anatren’ireo, hany herin’izy ireo dia nandefa azy hande. Rehefa tonga tany Ravenne àry i Romuald dia nandresy lahatra an-drainy ka rehefa resy lahatra i Sergio dia nijanona ho mpitoka-monina masim-piaina mandram-pahafatiny hatramin’ny taona 995. Rehefa maty io rain’i Romuald io dia niverina tany Classe i Romuald, ary nonem’ny lehibe ny trano tao alalana hanirery tao Pont-de-Pierre. Tao aorina kelin’izay dia maro ireo nanara-dia an’i Romuald, ka nanorina trano fitokana-monina Saint-Michel tao Manou izy. Nentin’i Otton II indray izy hitantana ny tao Ravenne sy hanavao ny trano fitokana-monina tany. Fa roa taona tao aorian’izay dia nankininy tao amin’ny amperora sy ny arseveka tao an-toerana izany trano izany ka lasa indray izy nifindra nanorina trano vaovao. Maro ireo tompomenakely nibebaka fa nandritra ny fotoana nanorenan’i Romuald trano vaovao tany Italia dia nisy namono ireo misionera nalefany. Nirahin’ny papa nitory tenin’Andriamanitra sy ny Vaovao Mahafaly tany Hongrie i Romuald fa raha vao vantan’ny tonga teo amin’ny sisin-tany izy dia narary mafy ka tsy maintsy niverina tany Italia. Tamin’ny fotoana niverenany no nanorenany ny trano fitokana-monina tao Allemagne sy nanavaozany ihany koa ireo trano efa nisy sasantsasany. Nantsoin’ny papa tao Roma indray izy nanorina trano Sassoferrato, nomen’i Henri I trano fitokana monina koa izy tao Toscane. Ny taona 1012 nanorina trano fitokana-monina tao Camaldoli diosezin’i Arezzo i Romuald. Ka ny fitsipi-piainana tao dia nifangaroan’ny fiainan’ny bénédictins sy ny asa atao andavan’andro ary ny fiainan’ny mpanirery. Lasa niala tamin’ny akanjo mainty ireo mpitoka monina noho izany ka nisalotra ny akanjo fotsy ary tsy niala volombava. Nodimandry ny 19 jiona 1027 moa i Romuald tao Val di Castro. Maro ny fahagagana vitany. Tsy nisy simba ny nofony ka nahatonga ny Fiangonana nanandratra azy ho olomasina ny taona 1595.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...